Fanambarana ny fitsipika fototra telo tonta eo amin’ny orinasa ifarimbonam-pirenena sy ny politika sosialy
Ny Fanambarana momba ny Orinasa Ifarimbonam-pirenena (MNE Declaration) no hany fitaovana an’ny ILO manome torolalana mivantana ho an’ny orinasa momba ny politika sosialy sy ny fomba fanao manaja ny fandraisana anjara, ny andraikitra ary ny faharetana eo amin’ny toeram-piasana. Io no hany fitaovana maneran-tany amin’ity sehatra ity izay novolavolaina sy nankatoavin’ny governemanta, ny mpampiasa ary ny mpiasa avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Nankatoavina mihoatra ny 40 taona lasa izy ary efa nohavaozina imbetsaka (tamin’ny 2000, 2006, 2017), ary farany tamin’ny 2022.
Ny foto-kevitra ao aminy dia natokana ho an’ny orinasa ifarimbonam-pirenena, ny governemanta, ary ny fikambanan’ny mpampiasa sy mpiasa, ary mandrakotra sehatra toy ny fampananana asa, fanofanana, fepetra iasana sy iainana, ary ny fifandraisana arak’asa, ary koa ny politika ankapobeny. Ny foto-kevitra rehetra dia miorina amin’ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa (fifanarahana sy tolo-kevitra ILO). Ny Fanambarana momba ny Orinasa Ifarimbonam-pirenena dia manamora ny fidirana sy ny fahatakarana ny fandaharan’asa Asa Mendrika eo amin’ny sehatra tsy miankina. Izy io dia fitaovana fototra mitarika ny fandaharan’asa momba ny Fitondran-tena Ara-barotra Tompon’andraikitra (RBC) mba hahatratrarana rojo famatsiana mirindra, maharitra ary tompon’andraikitra.
Détails additionnels
Auteurs
- International Labour Organization
Références
- ISBN Print: 978-92-2-038589-0
- ISBN Web PDF: 978-92-2-038590-6